Frera Raphaël Louis RAFIRINGA

1. Dibo-kafaliana ny fonay ry Rainay ô !
Andriamanitra ianao ka isaoranay
Zanaharinay Ray ô tena tianay é
Andriamanitra ianao ka toloranay vetsom-piderana
Nosoavinao tamin’ny olon-kendry ny taninay é
Olon-kendry iray nanasoa anay
Tamin’ny fahalalana Rapahël Louis
Ilay finidinao reharehanay e

2. Fiainam-baovao no lovasoa napetrany
Fa ny ara-panahy sy ny Tanindrazana
Dia indray nasandrany tamin’ny fampianarany
‘Lay fanasin’ny tany modelinay, kiady sy ampinga
Mpiaro ny sekoly sy ny fiangonana an-kasahiana
Herinay ianao frera Raphaël Louis RAFIRINGA
Andrarezinay ka tohananay ampitokiana

Ref: Ny tantarany, ny fampianarany
Dia mitoetra tokoa ho fahendrena soa.
Ny fiangonana sy ny ankohonana
Notinaizany Raphaël Louis ô,
Misaotra é misaotra é
Izy no atolotray re, ry Ray ô!
Raiso eo antanananao re ny finoany
Aoka hiharihary izy Ray ô!
Izay no filamatra asandratray é!
Eny re! Amin-karavoana no anolorana azy
Amin-karavoana tokoa tokoa no hanandratra azy
Dia amin-kafaliana sy amim-pitsikiana
Dia ankafaliana sy fitsikiana manolotra azy
R'ilay andrarezin’ny fanabeazana ô! E! Raphaël Louis e!
R'ilay olomangan’ny fanabeazana  ô ! E! Raphaël Louis

Dia misaotra ny anaranao
Dia misaotra amin’ny vitanao
Isaorana anie ianao,
Dia misaotra amin’ny asanao
Fa mitoetra ny anaranao
Dia misaotra é!

3. Saina fo fanahy ‘zay hanavao ny tany e!e!
Fa finoana mifaka amin’ny Evanjely ô!
‘Zay no tarigetrany,
‘Zay no fampianarany
Evanjely mifaka amin’ny kolontsaina ho tonga nofo
‘Lay soatoavin’ny Malagasy efa alin-kisa
Fiangonan-tsy ho ravan’izay tafiotra mifofofofo
Hanavao ny tanin’ny Malagasy ho paradisa  

Nampiditra Belle
Sokajy Olomasina
Fihirana Hasina p. 816
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093