Miantsa anao eo anatrehan'ny anjely - Midera anao aho, ry Tompo ô

(Sal. 137)

Midera anao aho, ry Tompo ô,
Ianao nihaino ny fivavahako.
 
1 Miantsa anao eo anatrehan'ny anjelinao:
 Miankohoka sy mahatsiaro ny tempolinao.
 
2 Misaotra anao sy mankalaza ny anaranao:
 Ambonin'ny zava-drehetra ny fitiavanao.
 
3 Ny andro niantsoako anao e dia namaly ianao:
 Namelona sy nankahery ny fanahiko.
 
4 Mpanjaka sy vahoaka maro no midera anao:
 Fa mankatò ny teninao e sy ny hasinao.
 
5 Ny didinao, ry Zanahary, no ventesiny:
 Derainay fa be voninahitra ny anaranao.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Fihirana Hasina p. 589
Fihirana Vaovao p. 60
Vavaka sy Hira p. 377
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093