Mendrika anao Andriamanitra - Teny mahafaly no torio

(Sal. 64)

Teny mahafaly no torio, ary ataovy antso avo:
Aleloia, aleloia,
Dera ho anao, Tompo ô, dera ho anao, Tompo ô, 

1 Mendrika anao, Andriamanitray, ny fiderana ao Siôna,
 Ny vavakay ao Jerosalema, fa ianao mpihaino vavaka.
 
2 Miantso anao ny olon-drehetra, havelanao hadisoana:
 Sambatra endrey 'zany voafidinao, antsoinao ho any an-dapanao.
 
3 Ny zava-tsoa an-tranonao omeo anay, ô ry Tompo,
 Fa ianao no mpamonjy anay fanantenan'izao tontolo izao.
 
4 Ny herinao, ranomasim-be, ampitsaharin'izy Tompo:
 Toy izany koa ny vahoaka maro hatahotra ny Andriamanitray.
 
5 Fa ianao no tompon'ny tany sy manome fitahiana,
 Orana be, rano am-parihy handonaka ny tanimbarinay.
 
6 Arovanao Zanaharinay ny asanay eny an-tsaha:
 Ny tany izay vao navadikay fafazanao amin'ny oram-be.
 
7 Tsimbininao 'reny voa nafafy, arovanao tsy ho faty:
 Arotsakao ny ando maraina hamelona ny fafy varinay.
 
8 Ho maitso be ny tanetinay feno an'ireo omby maro,
 Ny lohasaha feno tsirim-bary toa henonay midera anao, ry Ray.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 588
Fihirana Vaovao p. 256
Vavaka sy Hira p. 296
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0877