Mbola lavitra ilay zanaka mpandany

Mbola lavitra ilay zanaka mpandany,
Dia nahatazana azy rainy,
Ka onena nidodododo nitsena azy,
Ary namihina ny vozony sy nanoroka azy,

Ary namihina ny vozony sy nanoroka azy. (Lk. 15, 20)

(Sal. 90)
 
1 Misaora ny Tompo, ô ry fanahiko,
 Misaora ny anarany masina,
 O ry tenako tontolo!
 (Misaora ny Tompo, misaora).
 
2 Misaora ny Tompo, ô ry fanahiko,
 Ny soa sesehena nataony
 Aza misy hadinoina!
 
3 Avelany ireo otanao rehetra,
 Ianao dia sitraniny koa
 Amin'ny aretina rehetra.
 (Misaora ny Tompo, misaora).
 
4 Ny ainao vonjeny tsy ho any an-davaka,
 Ka hatsaram-po sy fitiavana
 No asarony anao.
 
5 Ny fahanteranao, rako-java-tsoa:
 Ianao toy ny voromahery,
 Mihavao, mihatanora.
 (Misaora ny Tompo, misaora).
 
6 Ny Tompo manao asa fahamarinana,
 Ny ampahoriana rehetra
 hamarininy avokoa.
 
7 Ny lalàny ambarany an'i Moizy,
 Ny asa lehibe izay nataony,
 Amin'ny zanak'i Israely.
 (Misaora ny Tompo, misaora).
 
8 Mpiantra sy mpamindra fo ny Tompo,
 Tsy malaky tezitra izy
 Ary be hatsaram-po.
 
9 Tsy mandrakizay ny fiampangany,
 Tsy hoe lalandava ihany koa
 Ny firehitry ny fony.
 (Misaora ny Tompo, misaora).
 
10 Tsy araka izay hadisoantsika
 No hasetriny, havaliny antsika,
 Na izay otantsika.
 
11 Toy ny lanitra avo any ambonin'ny tany
 No haben'ny hatsaram-pony
 Amin'izay matahotra azy.
 (Misaora ny Tompo, misaora).
 
12 Fa toy ny atsinanana sy ny andrefana
 No analavirany koa
 Ny hadisoana amintsika.
 
13 Fa toy ny fangorahan'ny ray ny zanany
 No mba angorahan'ny Tompo
 An'izay matahotra azy!
 (Misaora ny Tompo, misaora).
 
14 Misaora ny Ray mpamindra fo,
 Sy ny Zanaka vonjy ho antsika
 Ary ilay Fanahy Fitiavana.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 508
Fihirana Hasina p. 586
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0388