Mba tantano sy vimbino ny dianay

Mba tantano sy vimbino ny dianay,
O ry Ray malalanay.
 
1 Mideza mampatahotra ny làlana,
 Miolakolaka tsy fantatra.
 Nefa kosa izahay feno toky;
 Fa miaraka aminay ianao ô ka:
 
2 'Ndraindray moa misosa mahafinaritra,
 F'ao koa ny hady, lavaka lalina,
 Nefa kosa izahay mino marina,
 Fa eto anilanay ianao ô ka:
 
3 Halaviro koa ny fandrika mandavo.
 Esory ny dona mety handratra.
 F'izahay dia mizotra tsy amin'ahiahy:
 F'ianao no mpitantana ny dianay e ka:
 
4 Dia niroso soa aman-tsara 'zany dianay:
 Tsisy lozan'atambo nahavoa anay.
 Falifaly mahita ny tanàna,
 Velon-kira sy misaotra hoe:
 
Ravoravo izahay misaotra anao,
Ô ry Ray mpitantana.

 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 585
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0303