Mba sambatra izay mahitsy fo

(Sal. 111)

Sambatra izay mitana
Ny didin'i Iaveh.
 
1 Mba sambatra izay mahitsy fo
 Manao ny marina.
 
2 Fa soa sy fanambinana
 No ao an-tranony.
 
3 Mamiratra amin'ny haizina
 Ny olo-marina.
 
4 Haharitra re ny marina
 Tsy hiova mandrakizay.
 
5 Fa tsy mba hangozohozo
 Tsy hirona mandrakizay.
 
6 Finaritra re ny fony
 Miorina an-danitra.
 
7 Dia tony ny fon'ny marina
 Fa tsy mba hatahotra,
 
8 Ka sambatra izay miantra
 Mahay mamindra fo.
 
9 Ny ratsy mialona azy
 Fa foana levona.

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Fihirana Hasina p. 584
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094