Mba maizim-pito mahatahotra

1 Mba maizim-pito mahatahotra
 Ny alin'ny tsy fahalalana.
 Tsy hita izay lalan-kombàna!
 Mba aiza izay fanilo re?
 Fa indro tampoka niseho
 'Lay masoandro ho anay.
 
Misaotra anao Andriamanitra
Nanopy maso aminay.
Ianao no masoandronay,
Ry hostia haninay,
Ka misaotra ny vahoaka Malagasy:
Dera ho anao mandrakizay.
 
2 Fahiny ireo Razantsika
 Nizotra anaty haizim-be:
 Tsy mba nahita hazavana
 Hanilo ny fanahiny.
 Fa indro tampoka niseho
 Ianao, ry Jesoa mamiko.

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy
Fihirana Hasina p. 581
Vavaka sy Hira p. 488
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0604