Hisaorana anie Andriamanitra Ray, fa izy no Ray mpamindra fo antsika

Hisaorana anie Andriamanitra Ray,  )
Fa izy no Ray mpamindra fo antsika ) (indroa)
Sy mpanala alahelo.                         ) (2. Kor. 1, 3)

(Sal. 85)
 
1 Mba henoy sy valio aho, ry Tompo,
 Fa dia ory sy mahantra re 'ty zaho.
 "Ty sakaizanao mifikitra aminao
  Mba arovy sy tsimbino lalandava.
 
2 Amindrao fo hatrany re, ry Tompo,
 Fa ianao no efa antsoiko isan'andro
 'Ty fanahiko asandratro aminao,
 Dia ho dibo-kafaliana re ny foko.
 
3 Tsara fo sady antra ianao, ry Tompo,
 He! tianao ireo matoky miantso anao
 Mitalaho an-tanan-droa aho ka henoy
 'Zany antso sy talahoko reneso.
 
4 Ny antsoiko amin'ny androm-pahoriako
 Dia ianao, ry Tompo, hany mihaino ahy,
 Ny andriamani-kafa tsisy toa anao,
 Tsisy iray mahefa ny asa vitanao.
 
5 Ary ireo firenena arinao
 Ho tonga avokoa hiankohoka aminao,
 Fa dia lehibe tokoa ny anaranao,
 Mahagaga raha ny asa vitanao.
 
6 Atoroy ahy re ny lalanao
 Handehanako amy fahamarinanao,
 Ka ny tahotra ilay anaranao
 No ho fifalian'ny foko tia anao.
 
7 Fo, fanahy madio tsy misy tsiny
 No tiako hiderana ilay anaranao,
 Fa satria mahery ilay fitiavanao
 Nanafahanao ahy tanaty loza.
 
8 Mba jereo fa mirehareha, ry Tompo,
 Ireo manan-daza ka mifofo ny aiko;
 Miara-mioko ry zareo hisompatra ahy;
 Tsy vidiny eo imasony, hono, ianao.
 
9 Fa ianao, ô ry Tompo, tambitamby
 Sy tsy mba malaky tezitra fa miantra,
 Hany marina no sady be fitia,
 Ka todiho maso aho fa mitalaho.
 
10 Hery no atafio ahy mpanompnao;
 Vonjeo hatrany aho fa zanakao.
 Hasambarana no ento ho ahy ho toky
 Dia ho sina sy ho lao 'reo fahavalo.
 
11 Ho tsaroanay am'zay f'ianao, ry Tompo,
 No manda mpiahy, toky sady vonjy,
 Ray mahery ianao ka dia namonjy ahy
 Tamy zanakao maty hamelona ahy.

 
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 579
Vavaka sy Hira p. 314
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089