Mba henoy ô, ry Tompo

Mba henoy ô, ry Tompo,
'Zany feoko miantso anao, aleloia. 

(Sal. 26)

1 Ny Tompo no faniloko sy vonjiko,
 Ka iza moa no olona hatahorako:
 Ny Tompo re no mandan'ny aiko,
 Ka zovy moa no olona hangovitako?
 
2 Ireo fahavalo mpisompatra,
 Na tonga hanatona ahy, hiantoraka:
 Dia izy ihany no hiankarapoka,
 Fa izaho kosa arovan'Andriamanitra.
 
3 Na tafika no avy te handripaka
 Ny foko sy ny saiko tsy miraika:
 Na iza hanangana ady fa mialona,
 Miadana aho, Tompo, fa matoky anao.
 
4 Ny hany faniriako anie dia tokana,
 Ny honina ao an-tranonao, ry Tompo,
 Mandritra ireo andro izay hiainako,
 Hibanjina ny fitiavanao, ry Ray.
 
5 Amin'ny andro sarotra, halofany,
 Hafeniny ao an-tranony, harovany:
 Hasandrany, homeny voninahitra,
 Ka Izy vatolampy hijoroako.
 
6 Ny tenako anio dia nasandrany,
 Ireo fahavaloko, an-tongotro;
 Ka indro aho, Tompo, fa manolotra
 Ny srom-piderana sy ny saotra.
 
7 Henoy aho, Tompo, fa miantso anao,
 Iantrao ity aho, valio re:
 Iriko ny hahita anao, ry Tompo
 Ka mba asehoy ahy re ny tavanao.
 
8 Ity mpanomponao, aza roahina,
 Fa ianao mpanampy ny fanahiko:
 Na diso aho, aza arianao re,
 Fa ianao, ry Tompo ô, no vonjiko.
 
9 Omeko voninahitra ianao, ry Ray,
 Sy i Jesoa Zanakao ilay Mpanavotra:
 Deraiko ny Fanahy Mpanamasina
 Ankehitriny izao sy mandrakizay.
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 578
Vavaka sy Hira p. 265
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091