Ry Masindahy Jérôme

Ry Masindahy Jérôme Mpiaro anay,
Mivavaha ho anay
 
1 Mandehana re ianareo, hoy ny Tompo:
 "Mampianara an'izao tontolo izao";
 Tanterakao tokoa ireo teny soa,
 Jiro manazava anay ny asanao.
 
2 Lova be tokoa natolotrao ry Ray;
 Tsangambato ianteherana,
 Vatolampy, andry fifaharana,
 Ny Baiboly masina izay nadikanao.
 
3 Herezo, tantano izahay zanakao
 Hankafý ireo teny soa, ry Ray;
 Hazavao sy atoroy anay, ry Ray,
 Ireo teny raiketin'ny Soratra masina.
 
4 Maro be ireo loza mandrahona anay
 Mitsoka mafy ny rivo-doza be
 Ny Baiboly no hanovozanay ny hery
 Ho entinay hiady, mba handresy izahay.
 
Fanevam-pititavana, voantsinapy koa no nafafinao tatý,
Koa saotra sy dera, hobim-pifaliana no atolotray anao,
Ry Masindahy Jérôme, toky sy tabihan'ny Fiangonanay.
 

 
Nampiditra Belle
Sokajy Olomasina
Fihirana Hasina p. 576
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0169