Marobe tokoa

(MIEC)

Marobe tokoa 'reo asa
Sy adidy miandry anao,
Jesoa Tompo no manasa
K'aza kamo fa andao.
 
Evanjely no ambara
Mba ho fantatry ny maro,
Asa masina sy tsara
Ny Mpaniraka no hiaro.
 
O miaingà ianao izao,
Ry tanora namana,
Hanasoa ireo namanao
Mitory fitiavana.
 
Tapaho ny hevitrao izao
Sao tratra aoriana indray,
Kristy Tompo efa miandry anao,
Haingàna fa aza ela indray.
 
Raha sendra ny ady sarotra
Aza mora kivy fo;
Reseo ny henatra sy tahotra,
Misikìna herim-po.
 
Ny mahantra koa jereo,
Ny madinika hajao,
Tano tsara ny ampinga,
Miaramila manko ianao.

 

 
 

Nampiditra Belle
Sokajy Tanora
Fihirana Hasina p. 575
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092