Maro ny vokatra, Tompo

Maro ny vokatra, Tompo,
Fa ny mpijinja no vitsy e:
Aniraho mpijinja re ny taninao e,
Fa maro ny vokatra.

(Sal. 64)
 
1 Eny, mendrika anao re, ry Tompo,
 Ny hobiana sy antsoina ao Siôna:
 Ianao no anefana voady,
 Fa satria mpihaino vavaka ianao.
 
2 Ka izay manana aina rehetra,
 Samy tonga mankeo aminao;
 Novesaran'ny heloka aho,
 Kanjo ianao re mpamela hadisoana.
 
3 Eny, sambatra ho 'aho 'zay voafidy
 Hiara-monina akaiky aminao:
 Fa higoka an'ireo zava-tsoa,
 Sy ny hasin'ny tempolinao.
 
4 Tsapanay izao fa marina ianao,
 Mahatalanjona anay ny asanao:
 Ry mpamonjy andrandraim-pirenena
 Sy ny mponin'ny nosy eran-tany.
 
5 Ry nanao ireny vohitra avo,
 Ry misikina hery tsy toha,
 Ry mahay mampitony ny rano,
 Ry mahay mampangina vahoaka.
 
6 Raiki-tahotra ireo vazantany,
 Raha mahita an'ireo asanao;
 Ka dia rafitra mihoby avokoa
 'Reo mahita masoandro isan'andro.
 
7 Tonga ianao, ka namangy ny tany,
 Dia nanondraka rano sy harena
 Dibo-drano ny onin'ny lanitra,
 Hahavokatra izay hojinjaina.
 
8 Dia nokolokoloinao ny tany,
 Ny vava asa voatondrakao rano;
 Ka ny bainga naravonao tsara,
 'Zay nafafy notsofinao rano.
 
9 Ary zina ny taona tontolo,
 Fa nandalo tokoa 'zany Tompo;
 Dia ho lonaka erý ny tanety,
 Ny havoana mirenty haravoana.
 
10 Tanimbilona rakotra ondry,
 Lohasaha misalobona vary,
 Ka mihira ny tany tontolo,
 Miara-paly misaotra ny Tompo.
 
11 Voninahitra anie ho anao,
 Fa di maro ny vokatra, Tompo;
 Zanakao, voa nafafy ka maty,
 Ny Fanahy kosa namelona azy.

 

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 112
Fihirana Dera p. 238
Fihirana Hasina p. 573
Fihirana Vaovao p. 399
Vavaka sy Hira p. 295
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.042