Marina be fitiavana

Marina, be fitiavana, masina ny Tompo.
 
1 Mamiko ianao, ry Tompo, heriko sy tokiko,
 Vatolampy sy toera-mafy ho ahy:
 Andriamanitra mpanafaka
 Sy haram-bato fialofana.
 
2 Ampinga aman-defona ianao,
 Fiarovana avo ho an'ny aiko.
 Dera anie ho anao, ry Tompo,
 Fa voavonjy amin'ny fahavalo aho.
 
3 Masina ianao, ry Tompo,
 Hisaorana anie ianao vatolampiko.
 Omenao fandresen-dehibe ny mpanjaka
 Anehoanao hatsaram-po ilay voahosotra.


 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 573
Fihirana Vaovao p. 232
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089