Manjaka ny Tompo - Raha ilay nangina iny ny zavatra rehetra

Raha ilay nangina iny ny zavatra rehetra
Ary nisasaka tsara ny alina,
Dia nidina avy eo amin'ny fiketrahany
Any an-danitra, ry Tompo ô,
Ny Teninao mahefa ny zavatra rehetra.

(Sal. 92)

1 Manjaka ny Tompo,
 Voninahitra no lambany;
 Hery no akanjony
 Ary hetrany.
 
2 Nataony mafy orina ny tany aman-danitra,
 Ka tsy mba hihontsona
 Mijoro hatramin'ny fiandohana ny fiketrahanao,
 Efa hatramin'ny mandrakizay ianao.
 
3 Mihoatra ny feon'ny ranobe,
 Marevaka noho ny onjan-driaka.
 Marevaka ao ambony ao
 Ny Tompo Andriamanitra.
 
4 Eny, mafy orina hatrizay ny fiketrahanao,
 Ka midera anao ireo olomasina.
 Ao an-tranonao, ry Tompo,
 Hatramin'ny taona mifandimby.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 571
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095