Manatòna, rey vahoaka

1 Manatòna, rey vahoaka, mihainoa ny teny to,
 Fa hiteny Andriamanitra, hampibebaka ny fo.
 
'Zao no andro fibebahana,
Mibebaha, rey vahoaka;
'Zao no andro fiovana,
Miovà ho olom-bao.
 
2 Halalino ny fandinika an'ilay mandrakizay,
 Ka sorohy koa ny loza 'zay mety hahavoa.
 
3 Ny fanahy tsy mba maty, fa handeha hovaliana:
 Ka ny tsara ho finaritra, fa ny ratsy re ho may.
 
4 Indro re 'zahay, ry Tompo, fantatrao ny toetranay:
 Ny fonay ampibebaho, mba hahazo famelàna.
 
5 Io ianao, ry Jesoa Tompo, ianao tia anay,
 Ka nitondra ny mangidy, mamelà ny helokay.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Fifonana - Karemy
Fihirana Dera p. 59
Fihirana Hasina p. 567
Fihirana Vaovao p. 392
Vavaka sy Hira p. 550
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106