Manatòna ny hôstia

1 Manatòna ny hôstia,
 O ry velona rehetra.
 Mifalia sy mihobia:
 Aoka samy hiova toetra.
 
2 Ny Mpamonjy be fitia
 No manasa anao anio;
 Izy miantso hoe: "Avia
 Mba handray ny kômonio".
 
Dera, haja no atolotray
Tompo sy Andriamanitra!
 
3 Ry mpanota toro fo,
 Io ny Tompo miandry anao:
 Izy ilay Mpamindra fo
 Vonona hamela anao.
 
4 Ny vesaram-pahoriana
 Manana mpanampy koa
 Hany ka ny fijaliana
 Tena miova mba ho soa.
 
5 Renay 'zany antsonao,
 Ry Jesoa Eokaristia,
 Koa 'zahay handray anao,
 'Lay manasa hoe: "Avia".

Nampiditra Belle
Sokajy Komonio
Fihirana Hasina p. 567
Fihirana Vaovao p. 337
Vavaka sy Hira p. 741
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0229