Manan-karena amin'ny famindram-po

Feo I: Manan-karena amin'ny famindram-po:
         Iza moa, Tompo, no mba toy izany e?
         Izao vao fantatro ny fitiavanao,
         Mamin'ny foko ny ho eo akaikinao.
 
Feo II: Deraina e deraina e, deraina, aleloia,
          Ny Tompnay no derainy an-kira, aleloia,
          Deraina e, deraina e, deraina, aleloia,
          Ny Tomponay no derainy an-kira.
 
1 Fahafatesana no nandrasanay e,        ô ry Tompo
 Diso 'zahay ka mendrika an'izany;
 Kanjo nasandratrao ho zanakao,          aleloia, aleloia
 Io 'lay fiandrianako verin'ny ota.
 K'inona indray re no azoko ambara,     aleloia
 Diso 'ty aho ka mitsotra aminao;          aleloia
 Koa misaotra anao ho fankasitrahana,  aleloia
 'Lay novonjenao ka sambatra izao.       aleloia
 
2 Nahazo aina lahy izahay e,
 Nahazo aina izahay,                             ô ry Tompo
 Rahefa tonga ianao, ry Jesoa;
 Famelan-keloka no entinao,                 aleloia, aleloia
 Fampihavanana amin'ny Rainay.
 Falifalio ilay Mpamonjy antsika e,        aleloia
 Andeha hihoby ilay nitia antsika e:       aleloia
 Ny Andrimanitry ny razantsika e           aleloia
 Naniraka azy mba hamonjy antsika e.   aleloia
 
3 Mihira an-kafaliana ho anao
 Mihirahira ho anao,                              ô ry Tompo
 Ity vahoaka notiavinao:
 Fa falifaly amin'ny famonjenao,            aleloia, aleloia
 Tena mba sambatra ao an-tranon-dRay.
 Amin'ny molotra falifaly tokoa              aleloia
 No iderana sy isaorana anao;                aleloia
 Koa tompoy, hirao 'lay niaro antsika e, aleloia
 Hobio 'lay toky sy hery iainantsika e.    aleloia
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 566
Fihirana Vaovao p. 447
Vavaka sy Hira p. 548
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0192