MamindrĂ  fo, Tompo, fa nanota taminao izahay

Mamindrà fo, Tompo,
Fa nanota taminao izahay.
 
1 Andriamanitra ô,
 Mamindrà fo amiko
 Noho ny hatsaram-ponao.
 
2 Sasao tanteraka aho
 Amin'ny heloko
 Noho ny indrafonao.
 
3 Ianao irery ihany
 No nanotako
 Ka mivalo aho, ry Tompo.
 
4 Fanahy torotoro
 No ankasitrahanao
 Indro atolotro anao.
 
5 Ka voninahitra
 Ho anao mandrakizay
 Noho ny indrafonao.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Fifonana
Fihirana Hasina p. 562
Vavaka sy Hira p. 512
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0412