Maminay tokoa, ry Jôsefa (Zozefa)

Maminay tokoa, ry Zôzefa,
Ny hatsaram-panahinao;
Atoroy anay izy rehetra,
Ka alatsaho ao am-ponay. (indroa)
 
1 Na dia kely sy mahantra aza
 I Jesoa tao an-tranonao,
 Ianao nino azy mafy
 Ho Andriamanitra tokoa.
 
2 Ianao nahazo nandidy
 Ny Tsitoha nanjary nofo;
 Nefa he ny fanetren-tena
 Latsa-paka am-panahinao!
 
3 Fahantrana sy fahoriana
 No anjaranao isan'andro;
 Fa izay sitraky ny Tompo
 Nozakainao mandrakariva.
 
4 Ey ny lisy an-tananao
 Mahafaly ny masonay,
 Manambara ny fahadiovana
 Tsy maintsy manjaka aminay!
 
5 Ny fonao nirehi-pitiavana
 An'i Jesoa mbamin'i Maria
 Koa ataovy mazoto kosa
 Ho tia azy tokoa izahay.
 
6 Ianao sambatra nitrotro
 Ny Mpamonjy an-tratranao;
 Aoka re izahay ho faly
 Mandray azy koa am-ponay.
 
7 Teo an-tanan'izy mianaka
 Ianao no niala aina;
 Ka aoka ianao, Ray malala,
 Handray ny fara fiainanay!


 

Nampiditra Belle
Sokajy Md. Josefa
Fihirana Hasina p. 561
Vavaka sy Hira p. 622
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093