Madio itony rano mikararana re

1 Madio itony rano mikararana re
 Anaty voninkazo etý an-dohasaha,
 Fa mbola madio kokoa i Maria 'lay Reniko.
 
Maria ô, vola-mazava mamirapiratra,
Izaho mba te hahita ny hadiovanao,
Hahita anao, Maria e, am-paradisanao.
 
2 Ny tana-masoandro raha vao miposaka
 Mitaratra madio sy manjopiaka,
 Fa mbola madio kokoa i Maria 'lay Reniko.
 
3 Ny volana eny ambony mitazantazana,
 Madio, mangasohaso sy mibaliaka,
 Fa mbola madio kokoa i Maria 'lay Reniko.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Masina Maria
Fihirana Dera p. 130
Fihirana Hasina p. 559
Fihirana Vaovao p. 415
Vavaka sy Hira p. 599
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091