Kyrie eleison! Tompo ô, mamindrà fo

Kyrie eleison! Tompo ô, mamindrà fo!
Aza avela ho azon'ny fakam-panahy izahay, Ray ô!
 
1 Amin'ireo alaim-panahy tsy hino anao intsony,
 Satria mafy loatra ny adim-piainana.
 
2 Amin'ireo marary tsy manana mpikarakara,
 Ary koa tsy manantena ny ho sitrana intsony
 Ka voatarika hikomy aminao.
 
3 Amin'ny jamban'ny fitiavan-tena
 Ka manandevo ny namany.
 
4 Amin'ireo mpanao ampihimamba ka
 Mamela ny namany ho faty eo ambany masony!
 
5 Amin'ireo gadra an-tranomaizina na ny meloka
 Na tsy manan-tsiny voaendrikendrika.
 
6 Amin'ireo mila ho kivy ka mizotra amin'ny famoizampo
 Noho ny antony maro samihafa.
 
7 Amin'ireo voagejan'ny fahazaran-dratsy!
 

Nampiditra Belle
Sokajy Fifonana
Fihirana Hasina p. 558
Vavaka sy Hira p. 818
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009