Ravoravo ny aiñy

Ravoravo ny aiñy e, mandihy ny sarôtro
Mahita ny zavatra vitanao, Zañahary e ia!
Mahaliaña ny eto an-tany e:
Mandiniky ny voaary
Zay namboarin’ny tananao,
Ka mahavelom-pisôrana e ia!
Misôtra Zañahary e ia (2)
 
1-      Misôtra e ia!
            Misôtra Zañahary e!... (2)
Anô nañano ny tany e ia;
Anô nañano ny lanitry e ia;
Anô nañano ny rano ô ia
Sy ny biby zay ao añatiny e ia
Oà Zañahary e! ô rô à Baba!
 
2-      Misôtra e ia!
            Misôtra Zañahary e!... (2)
Anô nañano ny ala e ia,
Sy ny biby izay ao añatiny e ia;
Anô nañano ny ôlombeloña ô ia;
Anô nitsinjo azy hatrany e ia
Oà Zañahary e! ô rô à Baba!
 
3-      Misôtra e ia!
            Misôtra Zañahary e!... (2)
Nomenao ny Zanakao ô ia;
Nofantsihany tamin’ny Hazo ô ia
Kanefa nitsangaña tamin’ny maty e ia:
Mba hamonjy anay ôlombeloña ô ia
Oà Zanahary e rô à Baba!
 
4-      Misôtra e ia!
            Misôtra Zañahary e!... (2)
Nanasitrana ny marary e ia
Namonjy ny tra-pahoriana e ia
Nanafaka ny migadra e ia
Nampandeha ny mandringa e ia
Oà Zanahary e rô à Baba!

 

 

Nampiditra Delphin
Antsao ny Tompo p. 107
Fihirana Hasina p. 790
Karine Dera p. 536
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091