Jesoa ô, raiso aho

Jesoa ô, raiso aho,
Ho anao e, ho anao e, ho anao e.
 
1 Mamindrà fo amiko
 "Tsy tonga hiantso ny olomarina aho.
 Fa nanota aho
 "Fa tonga hiantso ny mpanota hibebaka"
 Mamindrà fo amiko.
 "Izaho koa tsy manameloka anao
 Fa nanota aho.
 "Mandehana am-piadanana.
 Mamindrà fo amiko.
 "Ary aza mamerina intsony"
 Fa nanota aho.
 
2 Hiankina aminao
 "Ampy ho anao ny fahasoavako
 Satria malemy aho.
 "Amin'ny fahalemena no iasan'ny heriko,
 Hiankina aminao,
 "Koa sitrako ny hirehareha amin'ny fahalemeko.
 Satria malemy aho.
 Mba hitoeran'ny herin'i Kristy.
 Hiankina aminao.
 Mandritra ny fiainako tontolo
 Satria malemy aho.
 
3 Ilay Fanahinao
 "Homeko ny herin'ny Fanahy ianareo.
 Fanilo manazava.
 "Ka ho vavolombeloko hatraiza, hatraiza.
 Ilay Fanahinao,
 "Hanafaka ny alahelonareo izy,
 Fanilo manazava.
 "Ary hitari-dalana anareo,
 Ilay Fanahinao,
 "Amin'ny marina rehetra.
 Fanilo manazava.
 
4 Ilay Reninao
 "Intý aho ankizivavin'ny Tompo
 No ohatra ho ahy
 "Ho tanteraka amiko anie ny Teninao
 Ilay Reninao
 "Ravehivavy, indro ny zanakao
 No ohatra ho ahy
 "Joany, mpianatra malalako;
 Ilay Reninao
 Indro ny Reny malalanao"
 No ohatra ho ahy.

 
Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy
Fihirana Hasina p. 549
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093