Jesoa ô, ampy ahy ny fahazarako

1 Jesoa ô,
 Ampy ahy ny fahazarako sy ny toetrako hatrizao:
 Havozo sy sakamalao ny tarigetrako sy ny anao.
 
 Raha mba fantatrao manko ny Tolotry ny Ray
 Sy ny Zanak'olona mitafa aminao,
 Ho aina tsisy fetra no ho nirifanao,
 Ho foana ny hetaheta mangeja ny fonao.
 
Narodan'i Jesoa ny rindrim-panavahana
Sy fisainana lomorina najoron'olombelona,
Fa toetra vaovao sahaza ny olom-banona
No indro fa atolony mba hivelomanao.
 
2 Jesoa ô,
 Ampy ahy ny fomban-drazako nivelomako hatrizao:
 Havozo sy sakamalao ny Andriamanitray sy ny anao.
 
 Raha mba fantatrao manko ny lahatry ny Ray
 Sy ny Zanak'olona nomena hampiray,
 Dia Hery sy Fanahy no ho nantsoinao,
 Hampianatra ny vavaka nitsiry ao am-ponao.
 
3 Jesoa ô,
 Fantatrao ny fomba fiainako sy ny amiko rehetra:
 Tsimbotry zary adrisa ny fireneko sy ny anao.
 
 Raha mba fantatrao manko ny Sitraky ny Ray
 Sy ny Zanak'olona mahita ny fonao,
 Mesia efa tonga no io akaikinao,
 Nampidina ny Fiainana ho Famonjena anao.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy
Ankalazao ny Tompo p. 500
Fihirana Hasina p. 548
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087