Jereo, ry Jesoa, fa mampahonena

1 Jereo, ry Jesoa, fa mampahonena
 'Reo ondrinao mijaly, mitoreo;
 Miandry anao, fa noana famonjena:
 Omeo pretra, Tompo, mba vonjeo!
 
Ny olonao mba iantrao
Izy rehetra vonjeo, omeo pretra!
 
2 Maro indrisy ny tsy mahalala.
 Aiza ny pretra hanazava azy ireo?
 Mampalahelo koa ny diso vala:
 Omeo pretra, Tompo, mba vonjeo!
 
3 Tsy ahoanao va ny fo torotoro
 Sy ireo mivarilavo: he jereo;
 Mila mpanohana koa ireo mijoro!
 Omeo pretra, Tompo, mba vonjeo!
 
4 Mba ho voavonjy ny firenenay,
 Ry Jesoa ô, ny vavakay ekeo;
 Mba hitodianay soa amin'ny Ray:
 Omeo pretra, Tompo, mba vonjeo!
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 545
Vavaka sy Hira p. 516
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093