Izao tontolo izao velomin'ny Ray

Izao tontolo izao velomin'izy Ray
Amin'ny alalan'i Kristy,
Ilay nitsangan-ko velona.
 
1 Ny masoandro miposaka, velominy
 Ny volana aman-kintana,   velominy
 Ny lanitra miramirana,      velominy
 Ny vohitra mitazana,         velominy
 
2 Ny ranomasi-manonja...
 Ny vorona manidina...
 Ny omby an-tampon-kavoana...
 Ny vary maitso mavana...
 
3 Isika olombelona...
 Antsoina ho fitiavana...
 Hiasa miaraka aminy...
 Ho namany hamelona...
 
4 Izay mino ny Tompo...
 Fa rantsam-batan'ny Zanany...
 Na maty mbola ho velona...
 Na efa nody vovoka...
 
5 Ny tany aman-danitra...
 Ho tany sy lanitra vao...
 Hiadanantsika zanany...
 Anatin'ny Fitiavany...
 

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy
Fihirana Hasina p. 544
Fihirana Vaovao p. 539
Vavaka sy Hira p. 819
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098