Izao fisarahana izao tsy haharitra mandrakizay

Izao fisarahana izao
Tsy haharitra mandrakizay:
'Reo havana lasa nandao
Ho hita ao an-tranon'ny Ray.
 
1 Ry rainay malala nandao,
 Sy mamin'ny fonay tia,
 Mangidy ny ilaozanao,
 Mionona anefa satria:
 
2 Tsarovy izahay, ivavaho,
 Ianao koa tsy ho hadinonay,
 Fa vavaka indray mitalaho,
 Tsy maintsy horaisin'ny Ray.
 
3 Rahefa ho faty izahay,
 Ho faly hihaona aminao,
 Ho sambatra mandrakizay,
 Ho sambatra tsy hifandao.

Nampiditra Belle
Fihirana Dera p. 161
Fihirana Hasina p. 543
Fihirana Vaovao p. 281
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165