Izaho no tena mofon'ny fiainana

(Jn. 6, 35-40, 51b)

Izaho no tena mofon'ny fiainana!
 
1 'Zay manatona ahy rehetra tsy ho noana na oviana,
 'Zay rehetra mino ahy tsy hangetaheta intsony.
 Ary efa mba voalazako anareo ihany anie
 Fa nahita ahy 'nareo nefa kosa dia tsy mino.
 'Zay omen'ny Ray ahy, dia ho tonga hanatona ahy,
 Ary izay manatona ahy, tsy hailiko ivelany any.
 
2 Fa matoa izaho no nidina avy any an-danitra any,
 Dia tsy hoe ny mba hanaovako ny sitrapoko akory,
 Fa ny hanaovako ny sitrapon'ilay naniraka ahy.
 Ary izao no hany sitrapon'ilay naniraka ahy:
 Mba tsy hisy iray ho veriko am'ireo nomeny ahy,
 Fa ny hananganako azy amin'ny andro farany any.
 
3 Eny, izao no sitrapon'ny Ray 'zay naniraka ahy:
 Mba hahazo ny fiainana tsy manam-piafarana
 'Reo rehetra 'zay mahita sady mino koa ny Zanaka;
 Dia izaho hanangana azy amin'ny andro farany any.
 Fa ny mofo izay homeko sy hatolotro anareo,
 Dia ny nofoko: hahazoan'izao tontolo izao ny aina.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 542
Vavaka sy Hira p. 792
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0302