Izaho midera ny Tompo amin'ny foko tontolo

(Sal. 110)

Izaho midera ny Tompo
Amin'ny foko tontolo,
Am-pivorian'ny olo-marina
Sy am-piangonam-be.
 
1 Mahagaga ny asan'ny Tompo,
 Mampisaina an'izay mino azy, mampivavaka.
 
2 Ny fahamarinan'ny Tompo
 Maharitra mandrakizay e, hamelombelona.
 
3 Mangoraka antsika ny Tompo,
 Mamahana antsika madinika matahotra azy.
 
4 Mahatoky ny lalan'ny Tompo:
 Izy irery no Tompon'ny lahatra mahavelona.
 
5 Nanavotra antsika ny Tompo
 Nanangona antsika ho havany, ho vahoakany.
 
6 Atahory ny anaran'ny Tompo:
 Fiandoham-pahendrena ny tahotra, ny fitia no mendrika.
 
7 Voninahitra anie ho an'ny Tompo
 Anatrehan'ny tany aman-danitra sy ny taona rehetra.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 541
Fihirana Vaovao p. 300
Vavaka sy Hira p. 337
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088