Izaho koa tsy manameloka anao

Izaho koa tsy manameloka anao
Mandehàna, mandehàna aza manota intsony
Amin'ny ho avy. (Jn. 8, 11)

(Sal. 31)
 

1 Sambatra izay afa-keloka
 Sy voavela ota;
 Eny sambatra ny olona tsy itanan'ny Tompo hadisoana,
 Sy tsy misy fitaka eo am-bava.
 
2 Raha mangina aho, tankina ny heriko
 Noho ny sondrotr'aina sesilany:
 Fa notsindrian'ny tananao andro aman'alina,
 Ka toy ny main'ny hainandro fahavaratra.
 
3 Koa nitsorako taminao ny otako,
 Tsy nafeniko anao ny hadisoako.
 Miaiky heloka aho, Tompo! hoy aho,
 Dia nesorinao ny hadisoana sy ny ota.
 
4 Koa amin'ny andro fahoriana,
 Ny mpivavaka rehetra hidera anao;
 Raha ho tondraka ny ranobe,
 Izy tsy mba ho trany.
 
5 Ianao ho fiereko miaro amin'ny loza
 Izaho hodidininao hiram-pahafahana.
 Ao ianao hanariko, hotoroako ny lalan-kaleha,
 Hotolorako saina, harahiko maso.
 
6 Aza manahaka ny soavaly sy mole tsy aman-tsaina
 Rohizam-bava sy vozonana vao manatona.
 Fahoriana maro ny an'ny ratsy fanahy,
 Fa izay matoky ny Tompo tototra hatsaram-po.
 
7 Mifalia ao amin'ny Tompo!
 Miravoa, ry olo-marina!
 Mihobia avokoa,
 Ry mahitsy fo!

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 80
Fihirana Hasina p. 539
Fihirana Vaovao p. 393
Vavaka sy Hira p. 272
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009