Iza moa, ry Tompo, no honina ao an-tranonao?

(Sal. 14)

1 Iza moa, ry Tompo, no honina ao an-tranonao?
 Zovy moa no raisinao ao an-dapanao?
 'Zay madio fanahy, 'zay manao ny marina,
 Tsy manendrikendrika, fa mahitsy fo:
 Ho mandrakizay ny hasambarany. (indroa)
 
2 Iza moa, ry Tompo, no honina ao an-tranonao?
 Zovy moa no raisinao ao an-dapanao?
 'Zay manao ny rariny, be fitiava-namana
 Sady tsy misompatra no be indra fo:
 Ho mandrakizay ny hasambarany. (indroa)
 
3 Iza moa, ry Tompo, no honina ao an-tranonao?
 Zovy moa no raisinao ao an-dapanao?
'Zay tsy mankasitraka ny mpiavonavona,
 Fa ireo mpanompoko no hajainy:
 Ho mandrakizay ny hasambarany. (indroa)
 
4 Iza moa, ry Tompo, no honina ao an-tranonao?
 Zovy moa no raisinao ao an-dapanao?
 'Zay manao ny tsara nampanantenainy,
 Tsy voavidim-bola re na mandainga foana:
 Ho mandrakizay ny hasambarany. (indroa)

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 536
Fihirana Vaovao p. 194
Vavaka sy Hira p. 254
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0908