Iza moa re izato zandrin'i Kristy?

1 Iza moa re izato zandrin'i Kristy?
 Vavolombelony, Mpisolovavany,
 Tanora Malagasy vonon-kiady anie izy
 Fa izy re no miaramilany.
 
Fa marobe tokoa
Ny adidy sy ny soa
Miandry anao ho an'ny taninao
Tsy hisy izay ho very
Raha toa ka manirery
Fa hiara-dia mandrakizay doria.
 
2 Zovy no mba sahy hilaza
 Hoe izy ambony indrindra,
 Ka tsy hiandrandra anao
 Tsy hitalaho aminao
 Fa any andro iray mbola ho tsapany tokoa
 F'ianao irery ihany, Tompo ô!
 

Nampiditra Belle
Sokajy Tanora
Fihirana Hasina p. 536
Vavaka sy Hira p. 642
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009