Iza moa ianao, ry Tompo?

1 Iza moa ianao, ry Tompo,
 Ilay tsy tapaka miantso
 Mampirisika ahy hoe:
 "Misikìna, mitsangàna"?
 
Izaho, Tompo,          )
Izaho momba anao,  )
'Ndeha ary milazà!    ) (indroa)
Fa satria ny vavanao )
Efa nohamasiniko!    )
 
2 Koa ny hevitra esory
 Fa ianao dia andry vy
 Ary koa manda varahina
 Anatrehan'ny tontolo.
 
3 Hisetra ireo tafiotra ianao
 Anatrehan'ny tsy rariny,
 Fanenjehana, firehana...
 Fa ho resinao ireny!
 
Victoire Rasoamanarivo ô, mahery,
Sambatra ianao:
Izaho Andriamanitra nifidy anao,
Izaho Tompo momba anao!
 
Tsy mba resin'ny tafiotra ilay maheriko
Ho andry mafy orina mijoro e.
Fa manan-kery anie izay maharitra,
Maharitra mivavaka tanteraka
Fa manan-kery anie izay maharitra:
Victoire Rasoamanarivo...

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 535
Vavaka sy Hira p. 794
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093