Isaoranay ianao Zanahary

Isaoranay ianao, Zanahary,
Fa nataonao zanakao izahay,

Aleonay very tena sy maty
Toy izay mandà ny teny nomenao.
 
1 Ry Tomponay, anao ny voninahitra,
 Fa ianao no anton'ny finoana;
 Ny teninao dia fahazavana
 Hahitanay anao mandrakizay.
 
2 Ety an-tany mahantra izahay,
 Tahionao ny zanakao rehetra;
 Ny kristianina manantena anao
 Fa any an-danitra hihaona aminao.
 
3 Mba tsara fo Andriamanitra e,
 Koa ianao no tianay indrindra;
 Ary 'zahay tia ny namanay
 Noho ny fitiavanay anao.
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 532
Fihirana Vaovao p. 403
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088