Ray ô, mpamindra fo ianao

1 Ray ô, mpamindra fo ianao
 Mpamela heloka, mba raiso re ny vavakay
 Miangavy sy mba mitalaho
 Ovay re ny foko hahazoako hanompo anao
 Fa maro ireo fakampanahy ka mila anao hiahy
 Mba tsy ho solafaka,
 Ary raha sendra fahavalo, ny tananao hiaro
 Ity mpanomponao ô...
 
2 Ray ô, 'reo ory sy onena
 'Reo kivin'ny adim-piainana mba omeo herim-po
 'Reo 'zay miaritra ny mafy
 Mitaky fitoviana mba omeo ny anjarany
 F'ianao no hany andrandraina sy antoky ny aina
 Mitsinjo anay etý
 Aoka aok'ianao hamily ny dian'ireo mivily
 'Reo ondry izay mania ô...
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 530
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0241