Ireo andro sisa

1 Ireo andro sisa mbola ho avy, Tompo ô,
 Hifonako aminao, fa misy heloka.
 Ny fahotako, ny hadalako, Tompo ô,
 E, sambatra sy tretrika, noho ianao.
 
2 Ny fahoriako, ny hakiviako, Tompo ô,
 Soloinao fo mendrika ho anao.
 Fa mahonena, mitaraina, Tompo ô,
 Koa mba tantano sy vimbino izahay.
 
3 O mba omeo fo matoky, Tompo ô,
 Ireto ondry very fa nania.
 Fa mahonena  mitaraina, Tompo ô,
 Koa mba tantano sy vimbino izahay.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Fifonana
Fihirana Hasina p. 530
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093