Injay nisy feo avy any an-danitra

Injay nisy feo avy any an-danitra
Niantso anao hoe:
"Ity no zanako malala
Ankasitrahako indrindra". (Mt. 5, 17)
 
1 Hoy i Jesoa tamin'ny Rainy:
 "Ray ô, indro ny ora
 Hanehoanao ilay voninahitra
 Teo amiko hatrizay!"
 
2 Hilaozako ianareo.
 Tsy ho kamboty anefa:
 Homeko Mpisolovava
 D'ilay Fanahin'ny Ray.
 
3 'Lay Fanahy Fahazavana
 Hitantana anareo
 Amin'ny lalan-drehetra
 Hahatafita anareo.
 
4 Hoy i Jesoa hoe: "Izay tia ahy
 Hihaino izay nolazaiko
 Dia ho malalan'ny Raiko
 Ka honina ao izahay".

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy
Ankalazao ny Tompo p. 42
Fihirana Hasina p. 525
Vavaka sy Hira p. 485
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1143