Ihirao hira vao ny Tompo - Nataon'Andriamanitra ho mpandova

Nataon'Andriamanitra ho mpandova
Ny zavatra rehetra i Kristy. (Heb.1, 2)

(Sal. 149 )

1 Ihirao hira vao ny Tompo,
 Derao ao am-piangonan'ny mpivavaka izy.
 
2 I Israely aoka hifaly amin'ilay nanao azy,
 Ny zanak'i Siôna hiravo amin'ilay Mpanjakany,
 
3 Hidera ny anarany amin-dihy,
 Hiantsa azy amin'amponga sy lokanga!
 
4 Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany;
 Ravahany fandresena ny ory!

5 Ny mpivavaka aoka hientana amin'ny voninahiny,
 Sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba:
 
6 Am-bava, fankalazana an'Andriamanitra;
 An-tanana, sabatra roa lela.
 
7 Hamaliana an'ireo firenena,
 Sy hamaizana an'ireo vahoaka:
 
8 Ka ny mpanjakany hogiazina amin-gadra,
 Ny loholony amim-parapaingo!
 
9 Ny mampihàtra amin'ireny ny fitsaràna voasoratra
 No voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra! 

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy - Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 14
Fihirana Hasina p. 520
Vavaka sy Hira p. 384
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098