Iaveh nilaza tamiko hoe

(Iaveh nilaza hoe)
Iaveh nilaza tamiko hoe,
Iaveh nilaza hoe:
Zanako ianao, Zanako ianao,
Niteraka anao aho androany. (Sal. 2, 7)

(Sal. 96)
 
1 Manjaka ny Tompo, miravoa, ry tany,
 Mifalia, ry nosy maro.
 Rahona sy zavona no manodidina azy,
 Ny rariny sy ny hitsiny no ijoroan'ny fiketrahany.
 
2 Ny tselatra alefany manazava izao rehetra izao,
 Ny tany mahita izany ka mihorohoro.
 Ny tendrombohitra mihovitrovitra
 Eo anoloan'ny Tompo nahary ny tany manontolo.
 
3 Ny lanitra manambara ny fahamarinany,
 Ny vahoaka rehetra mibanjina ny voninahiny.
 Miankohoka aminy avokoa
 Ny fahefana rehetra.
 
4 Satria ianao, ry Tompo,
 No ilay avo indrindra.
 Ianao ambonin'ny tany manontolo,
 Ambony noho ny mpanjaka rehetra.
 
5 Niposaka amin'ny olo-marina ny hazavana,
 Mamiratra ho an'ny mahitsy fo ny hafaliana.
 Mifalia ao amin'ny Tompo, ry olo-marina,
 Isaory ny anarany masina.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 519
Fihirana Vaovao p. 28
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0419