Fantatry ny Ray izay ilainareo

Fantatry ny Ray izay ilainareo
Fa tia anareo ny Ray.

(Sal. 56)

1 Iantrao aho, ry Andriamanitra, iantrao,
 Ianao no ifefen'ny fanahiko.
 
2 Ny aloky ny elatrao no ifefeko
 Mandra-pidifin'ny loza!
 
3 Izaho miantso an'Andriamanitra avo indrindra
 Ilay Mpamaly ny ratsy atao ahy.
 
4 Izy maniraka avy any an-danitra
 Ka mamonjy ahy amin'ny tanan'ny mpanosy.
 
5 Izaho mandry afovoan-diona
 Mpandripaka ny zanak'olombelona.
 
6 Ny nifiny, lefona aman-jana-tsipìka
 Ny lelany, sabatra voaranitra.
 
7 Misandrata, ry Andriamanitra any ambonin'ny lanitra;
 Eran'ny tany tontolo ny voninahitrao.
 
8 Amelarany harato ny diako,
 Ihadiany longoa eo anoloako.
 
9 Mitombina ny foko, ry Andriamanitra:
 Ka mihira sy miantsa aho!
 
10 Foha, ry aiko, foha, ry jejy sy valiha,
 Izaho mifoha marainakoa.
 
11 Fa hidera anao vory vahoaka, ry Tompo,
 Hiantsa anao anivom-pirenena.
 
12 Fa lehibe hatrany an-danitra ny hatsaram-ponao,
 Mahatakatra ny lanitra ny fahamarinanao.
 
13 Misandrata, ry Andriamanitra any ambonin'ny lanitra
 Eran'ny tany tontolo ny voninahitrao!

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 53
Fihirana Hasina p. 518
Vavaka sy Hira p. 290
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091