Ianareo, ry Anjelin'ny Tompo

(Sal. 148)

1 Ianareo, ry Anjelin'ny Tompo, derao Andriamanitra.
 Ianareo, ry tafiny rehetra, derao Andriamanitra.
 Ianareo, ry lanitry ny lanitra, derao Andriamanitra.
 Ianareo, ry masoandro sy ny volana
sy ny kintana mamirapiratra, derao Andriamanitra.
 
2 Ianareo rano ambonin'ny lanitra...
 Ianareo afo aman-kavandra...
 Ianareo tendrombohitra sy havoana...
 Ry oram-panala sy ny zavona,
 Ranomasina sy rivo-mahery.
 
3 Ianareo, ry zava-maniry...
 Ianareo biby isan-karazany...
 Ianareo, ry voro-manidina...
 Ry olona rehetra eran-tany,
 Ry zava-boaary rehetra.
 
4 Ianareo zokiolona sy zaza...
 Ianareo tovolahy sy tovovavy...
 Ianareo, ry mpitondra sy mpitsara...
 Voninahitra ho an'ny Ray sy ny Zanaka,
 Ary ho an'ny Fanahy mpanamasina.

Nampiditra Belle
Sokajy Salamo
Fihirana Hasina p. 517
Fihirana Vaovao p. 145
Vavaka sy Hira p. 382
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093