Ianareo e no havako

(Jn. 15, 14-16)

1 Ianareo e no havako sy olon-tiako,
 Raha manatanteraka ny andidiako.
 
2 Ianareo tsy ataoko mpanompo intsony,
 Fa ireny, tsy hainy ny ataon'ny tompony.
 
3 Fa nataoko hoe havana ianareo:
 Nilazako izay henoko tamin-dRaiko.
 
4 Tsy mba hoe ianareo no nifidy ahy,
 Fa izaho no nifidy anareo kosa,
 
5 Dia nanendry anareo mba handeha sy hamoa,
 Haharetan'ny vokatrareo tokoa.
 
6 Ka homen'ny Ray anareo daholo
 Ny hangatahinareo amin'ny anarako.

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 432
Fihirana Hasina p. 516
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0763