Ianao, ry Trinite Masina

Ianao, ry Trinite Masina,
Na dia tsy tratry ny saina,
Milela-paladia anao e
Sy mino anao izahay.
 
1 Mba lehibe sy mahagaga
 Ny Zanahary Tompoko:
 Olona telo, tena tokana,
 Mistery inoantsika izany.
 
2 Ny Ray miteraka ny Zanaka
 Mandrakizay, mandrakizay;
 Ary ny fifankatiavany
 Dia mistery lehibe.
 
3 Ny Ray nahary sy mitahy
 Ny tenako sy ny aiko;
 Andriamanitra Fanahy
 No manamasina ny foko.
 
4 Izaho mino fa ny Zanaka
 Olona tokoa tahaka antsika;
 Izy naterak'i Maria e
 Koa ny fombany, olon-dray.
 
5 Mitovy tsara izy telo,
 Mahefa sy mandrakizay;
 Tsy misy andro voalohany,
 Mandrakizay tsy hisy fetra.
 

Nampiditra Belle
Fihirana Dera p. 122
Fihirana Hasina p. 515
Fihirana Vaovao p. 403
Vavaka sy Hira p. 455
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.024