Ianao no tabihan'i Jerosalema

Ianao no tabihan'i Jerosalema
Ianao no fifalian'i Israely,
Ianao no voninahitry ny firenentsika.

(Jodita 13, 22-25. 15, 10-11)
 
1 Ny herin'ny Tompo nitahy anao,
 Ianao nampanjary tsinontsinona
 Ny herin'ny fahavalontsika,
 Ianao no reharehanay.
 
2 Ianao nosoavin'Andriamanitra,
 Nosoavin'ny Tompo avo indrindra:
 Ianao vehivavy tapitra ohatra,
 Ianao no reharehanay.
 
3 Isaorana ny Tompo nahary
 Nitondra ny tananao mahery:
 Mba hanapa-doha ilay ratsy,
 Ianao no reharehanay.
 
4 Asandratray ny anaranao,
 Tsy ho afaka am-bavan'ny vahoaka:
 Derainay mandrakizay ianao,
 Ianao no reharehanay.
 
5 Ianao tsy nandala ny ainao,
 Nahita ny fijalian'ny mponina:
 Namonjy anay mba tsy ho levona,
 Ianao no reharehanay.
 
6 Satria nitomban-dahy ianao,
 Ka feno herim-po ny sandrinao:
 Endrey 'ty fahadiovanao,
 Ianao no reharehanay.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 509
Fihirana Vaovao p. 289
Vavaka sy Hira p. 393
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009