Ianao, Andriamanitra itokiako

(Sal. 90)

Ianao, Andriamanitra itokiako,
Andriamanitra fialofako.
 
1 'Zay mialoka eo ambany fiarovan'ny Avo indrindra
 Miala sasatra amin'ny aloky ny Tompo tsitoha.
 Fa izy no manafaka amin'ny fandriky ny ratsy
 Sy ny areti-mifindra mandoza.
 
2 Dia hanarona anao amin'ny elany izy Tompo
 Ampinga mahery ny fahamarinany.
 Tsy misy hampangovitra anao amin'ny alina,
 Na zana-tsipìka manidina antoandro.
 
3 Fa ny ratsy misoka amin'ny haizina ho rava,
 Sy ny areti-mifindra amin'ny mitataovovonana,
 Na misy arivo, iray alina ho lavo,
 Ianao tsy mba tratra.
 
4 Hijery hatrany ianao ka hahita
 Ny valy hanjò ireo ratsy fanahy.
 "Fiarovana ianao, ry Iaveh", hoy ianao,
 Nanao ny Avo indrindra ho fialofana ianao.
 
5 Ka izay fahoriana tsy hihatra aminao,
 Na ny loza hanakaiky ny fonenanao,
 Fa izy handidy ny anjeliny masina,
 Mba hiambina anao amin'ny làlanao rehetra.
 
6 Ka hivimbina anao eny an-tanany izy ireo,
 Fandrao ny tongotrao tafintohana amin'ny vato.
 Dia hanitsaka liona ianao ka handresy,
 'Zay biby masiaka rehetra ho levona.
 
7 'Zaho Tompo hanafaka izay tia ahy,
 Hiaro azy fa izy matoky ny anarako.
 Hiantso ahy izy mantsy raha zoim-pahoriana,
 'Zaho kosa hamonjy hanome voninahitra.
 
8 Andro lava sy feno tanteraka eto an-tany,
 Famonjena any an-danitra mandrakizay
 Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka,
 Voninahitra anie ho an'ny Fanahy Masina.

Nampiditra Belle
Fihirana Dera p. 169
Fihirana Hasina p. 505
Fihirana Vaovao p. 305
Vavaka sy Hira p. 321
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094