I Piera vatolampy

I Piera vatolampy! (indroa)
Vatolampy ny finoany (indroa)
Ilay zanak'Andriamanitra.
Vatolampy e e!
Vatolampy, vatolampy e e!
I Piera vatolampy iorenan'ny Fiangonana
Vatolampy iorenan'ny finoantsika etý
Iorenan'ny finoantsika. (indroa)
 
1 Eo ambony vatolampy no miorina;
 Ilay Fiangonana tanàna vohi-masina:
 Miara-monina ao ny zanak'Andriamanitra.
 
2 Eo ambony tora-pasika no miorina
 Ilay tanànam-pahafatesana sy ny haizina;
 Fahendren'ny vahoakan'Andriamanitra.
 
3 Fa mpandresy ireo mpanompon'Andriamanitra:
 Ny fiadian'ny fanahy no arangany;
 Dia ny teny sy ny ranon'ny Batemy.
 
4 Ireo no sabatra analan'ny Fiangonana
 Ny voageja anaty herim-pahafatesana
 Ho amin'ny Fanjakan'ny Zanak'Andriamanitra.
 
5 Vavahady tsy hay resena velively
 Ny vavahadin'ny Fiangonana, satria
 Kristy no hazavana ao anatiny;
 
6 Kristy ilay masoandro tsy hisoka;
 Miambina azy tsy ho amin'ny lalan-diso;
 Amin'ny herin'ny Fanahy Fahamarinana.
 
7 I Piera no Mpiandry vavahady
 Sy mpitana ny fanalahidin'io:
 Izy koa no mpanidy sy mpamoha.
 
8 Ampidiriny ao anatin'ny fiombonana
 Ny mpanota izay nania ka tafaverina,
 Ireo tsy mpino izay voasinton'ny Fanahy.
 

 

Nampiditra Belle
Sokajy Olomasina
Fihirana Hasina p. 504
Vavaka sy Hira p. 790
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1339