Hoy ny Tompo: izaho no tena foto-boaloboka

Hoy ny Tompo: izaho no tena foto-boaloboka;
Ny sampana izay mamoa dia horantsanana;
Rantsanan'ny Ray mba hamokatra bebe kokoa. (Jn. 15, 1-2)

(Sal. 79)
 
1 Ry Mpiandry an'i Israely, mandrenesa,
 'Zay mitondra an'i Zôzefa toy ny ondry;
 Ry mipetraka eo ambony kerobima,
 Efa anao ny voninahitra, asehoy.
 
2 Eo alohan'i Manase sy i Efraima,
 Dia fohazy ny herinao hamonjy anay;
 Tompon'ny tafika ô, avia mampody anay,
 Asehoy ny tavanao ho vonjinay.
 
3 Rahoviana re ianao vao hitony
 Tsy ho tezitra amin'ny sisa izay tavela?
 Raha ny mofom-pahoriana dia efa voky,
 Ranomaso no gohinay hatrizay!
 
4 F'izahay dia nanjary fanaraby
 Sy faneson-dry zareo fahavalo;
 Tompon'ny tafika ô, avia mampody anay,
 Asehoy ny tavanao ho vonjinay.
 
5 Raha nanongotra voaloboka ianao,
 Voaloboka iray avy tany Ejipta,
 Dia nandroaka firenena maro tao
 Hanomezanao toerana haniriany!
 
6 'Reo voaloboka taloha nasesikao,
 'Lay vao tonga kosa anefa he lalim-paka:
 Voarakotry ny alony ny havoana
 Ary alofan'izany rantsany ny sedera!
 
7 Nisandrahaka sy tonga hatrany an-driaka
 Ireo sampana sakeliny mamoa,
 Ka nahoana no bangaina re ny fefy?
 Ny mpandalo vao nahita tonga nioty.
 
8 Dia nitrongy fehizay ny lamboala,
 Ka niraoka ihany koa ny bibidia;
 Miverena, ry Andriamanitry ny tafika,
 Mitsinjova avy eny an-danitra, zahao!
 
9 Ilay foto-boaloboka tazano,
 Mba ahio ny nambolen'ny tananao:
 'Reo nikapa sy nandoro toy ny fako
 Dia ho faty noho ny hatezeranao!
 
10 Tananao anie ka homba lalandava
 Ilay olona ipetrahan'ny tokinao,
 D'ilay zanak'olombelona voafidy,
 'Lay nomenao fahefana ombana hery.
 
11 Izahay tsy mba handao anao intsony
 Fa velominao 'zay miantso ny anaranao.
 Tompon'ny tafiko ô, avia mampody anay,
 Asehoy ny tavanao ho vonjinay!
 
12 Hoderaina anie ny Ray mikolokolo
 Sy ny Zanaka fototr'aina iraisanay e,
 Ry Fanahy nomena anay hamelona aina,
 Hoderaina amy ny fiananay ny Fitiavanao.

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 135
Fihirana Hasina p. 500
Vavaka sy Hira p. 305
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0238