Hoderaina mandrakizay e ianao e, ry Jesoa mpamonjy

Hoderaina mandrakizay e ianao e,
Ry Jesoa mpamonjy,
Fa ianao e no lahimatoa,
Dia lahimatoa
Amin'ny maty rehetra. (Kôl. 1, 4)

(Kôl. 1, 12-20)
 
1 Andeha isika hisaotra ny Ray 'zay nanangana antsika
 Ho sambatra toy ny olomasina hahita mazava.
 
2 nalany amy fanandevozan'ny maizina isika,
 Nafindrany kosa hanjakan'ilay Zanany tiany.
 
3 Ny Zanany izay nahamendrika antsika ho voavonjy,
 Ny Zanany izay naha-afaka antsika tamin'ny ota.
 
4 Dia Zanaka endrik'ilay Andriamanitra tsy hita,
 Kanefa dia lahimatoa amy zava-boaary.
 
5 Fa taminy manko no hary ny zava-drehetra:
 Ny tany sy lanitra omban'izay hita sy ts'hita.
 
6 Fa izy no Teny nampisy ny zava-drehetra,
 Ho azy matoa noarìna ny zava-drehetra.
 
7 Fa izy tokoa no talohan'ny zava-drehetra,
 Ka mbola mitahy aharetan'ny zava-drehetra
 
8 Ny loha amy vatana anefa dia mbola izy koa,
 'Lay Vatana masina iraisan'ny mpino rehetra.
 
9 Nitsangan-ko velona ho santatr'ireo nodimandry.
 Fa izy no tena filoha amy zava-drehatra
 
10 Satria sitrak'izy Andriamanitra Rainy tokoa
 Ho aminy no ipetrahan'ny hasina feno.
 
11 Dia sitrany koa ny nampody ny zava-drehetra
 Hankaminy, nony tarihin'ny Zanany tiany.
 
12 Ka indro ny ra 'zay nalatsany teo amin'ny Hazo
 Nomeny hampihavana tany sy lanitra vao.

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 130
Ankalazao ny Tompo p. 50
Fihirana Dera p. 178
Fihirana Hasina p. 496
Vavaka sy Hira p. 446
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0875