Hobio Andriamanitra, ry tany tontolo - Hobio ny Tompo, aleloia,

(Sal. 65)

Hobio ny Tompo, aleloia,
Ry tany tontolo, Aleloia.
 
1 Hobio Andriamanitra, ry tany tontolo,
 Antsao ny voninahitry ny anarany.
 
2 Ilazao hoe, Andriamanitra:
 Endrey! mahatahotra ny asanao.
 
3 Noho ny haben'ny herinao,
 Ny fahavalonao mila sitraka aminao.
 
4 Ny tany tontolo miankohoka aminao
 Sy miantsa anao, sy miantsa ny anaranao.
 
5 Tongava hizaha ny asan'Andriamanitra
 Ilay mahatahotra noho ny vonjy vitany ho an'ny zanak'olombelona.
 
6 Ny ranomasina novàny ho tanety;
 Tongotra maina no nitana ny ony.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 494
Vavaka sy Hira p. 298
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009