Ho valin'ny natao, ry Tompo ô

Ho valin'ny natao, ry Tompo ô,
Ny lanitrao tanindrazanay
Tretrika endrey ny olom-pinidy
Sambatra efa tody ao an-dapanao
Fahasambarana lavorary
No ilomanosany mandrakizay
Miantsa hira 'zay mireondreona
Miaraka miventy hoe: "Hôzàna!"
 
E, ny lanitrao, Tanindrazanay!  )
E, ny lanitrao, ry Tompo,          )
Tanindrazanay tokoa,                ) (indroa)
E, ny lanitrao no Tanindrazany! )
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 493
Vavaka sy Hira p. 558
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1137